Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    CNIDH: mila ankatoavina ireo lalàna miaro ny zon’ny vehivavy

    CNIDH: mila ankatoavina ireo lalàna miaro ny zon’ny vehivavy

    Nanao fakan-kevitra mikasika ny fandalinana indray ny volavolan-dalàna momba ny zon’ny vehivavy voarakitra anatin’ny fifanarahana natao tany Maputo ny vaomieram-pirenena misahana ny zon’olombelona (CNIDH), omaly, tetsy Antaninarenina.

    Anisan’ny firenena dimy amin’ireo 55 ao anatin’ny vondrona afrikanina tsy  mbola mankato ny fifanarahana  natao tany Maputo mikasika io fiarovana ny zo fototry ny vehivavy sy ny maha olombelona manontolo io i Madagasikara.

    Izany indrindra no anton’ny fakan-kevitra amin’ireo mpisehatra marolafy momba ny zon’ny vehivavy hahafahana miroso amin’ny fankatoavana sy ny ady sisika eny amin’ireo Antenimera mpanao lalàna, hoy ny filohan’ny CNIDH, Andriamarohasina Seth.

    Maro ny tombontsoan’ny vehivavy ao anatin’izany izay tsy mbola mihatra eto amintsika ka tokony hankatoavina hiarovana azy ireo.

    Hanao ezaka ny Antenimierampirenena handresy lahatra ireo solombavambahoaka sy ireo loholona mba hankato ity fifanarahana ity , hoy ny solombavambahoaka Masy Goulamaly.

    Tamin’ny 31 desambra 2020 no farany tokony ho nankatoavana io fifanarahana io ka efa tara herintaona isika izao. Mitaky ezaka haingana amin’ny firosoana amin’izany, hoy hatrany ny fanazavana.

    Tokony ho tafiditra ao anatin’ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena  amin’ny taona  2022 ny fandinihana izany raha ny fahavononan’izy ireo.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.