Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    CUA- Coopération Allemande: fitaovana arifomba hiadiana amin’ny Covid-19

    CUA- Coopération Allemande: fitaovana arifomba hiadiana amin’ny Covid-19

    Noraisin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly, ireo fitaovana vaovao avy amin’ny “Coopération Allemande” tamin’ny alalan’ny tetikasa ProDéCID/GIZ. . Tonga nanotrona ny lanonana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina,  ny masoivohon’i Allemaina, ny talen’ny GIZ sy ireo mpiara-miasa avy eo anivon’ny CUA. Entina hanamafisana ny ady amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 izany. Ahitana “minivan Foton Grator V3” miisa 3, kamiao fanangonan-drano “camion citernes à eau Renault Trucks 18 000 litres” miisa 2, fitaovana fanasana tanana miisa 350, fitaovana fiarovan-tena (gant, arovava orona, gel), fitaovana fidiovana toy ny savony, fitaovana manokana ho an’ireo mpiasa eny amin’ny “cimetière”, fitaovana ho an’ny mpitsabo toy ny “concentrateurs d’oxygène, oxymètres”, fitaovana famatsiana herinaratra rehefa misy ny fahatapahan’ny jiro.

    Ilaina amin’izao tsy fisian-drano izao ny fitaovana ka izany indrindra ny antony nanomezan’ny mpiara- miombon’antoka ireto fiara lehibe ireto mba ahafahana mampiasa rano hafa ankoatra ny ranon’ny Jirama .

    Ireto fiara minivan ireto indray dia hoentin’ny kaominina hitaterana ny fanafody sy ireo fitaovana hanatanterahana ny famendrahana ranom-panafody eny anivon’ny EPP, ny minisitera sy ireo izay mila izany.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.