Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fakana an-keriny tsy tanteraka: niakatra fampanovana, omaly, ny raharaha

    Hatramin’ny ora nanorantanay farany, niatrika fampanoavana omaly ny raharaha fakana an-keriny tsy tanteraka tetsy Ambaniala Itaosy, ny herinandro lasa teo. Nohainoana tamin’izany ilay teratany sinoa sy ireo teratany malagasy roa lahy voarohirohy amin’ity asa ratsy ity. Tsiahivina fa io teratany sinoa io ilay nanondraka asidra ny mpiasa tao aminy tetsy Analakely, taona vitsy lasa izay. Voaroaka tamin’io tsena io izy taorian’izay kanefa mbola nanampatra ny fahefany sy ny volany. Ny herinandro teo, tsikaritr’ireo mpanofa tsena vaovao fa misy manaraka ny zanany lahikely vao efa-taona rehefa mandeha miasa izy ireo. Vokany, tsy nalefa nianatra ilay zaza ny zoma teo ka nisy nibata tampoka rehefa nilalao teny an-tranony etsy Ambaniala Itaosy. Navotsotr’ireo roa lahy anefa ilay zaza rehefa nifanenjehan’ny fokonolona. Araka izany, nametraka fitoriana an’io teratany sinoa io ny ray aman-drenin’ilay zaza, izay ahiahiany ho atidoha nikotrika ny asa ratsy. Nony tonga teny amin’ny polisy, nisy nahita ilay lehilahy iray nibata ilay zazalahikely. Naman’ilay teratany sinoa izy ary nanaovana fanadihadiana ihany koa.

     

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.