Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    FFKM – Kitra “Fifankatiavana”: norombahin-dry mompera ny amboara

    FFKM – Kitra “Fifankatiavana”: norombahin-dry mompera ny amboara

    Resin-dry mompera tany amin’ny fandakana ny “tirs au but » 5 no ho 3 ny presbytera  teo amin’ny famaranana ny baolina kitra, “Fifankatiavana FFKM”. Norombahin’izy ireo izany ny amboara tamin’ity andiany voaloha ity.

    Notanterahina tao amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, afakomaly, izany ka lalao manasa-dalana avy hatrany eo anivon’ny ekipan’ny fiangonana efa-tonta. Nomontsanin-dry mompera tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 1 ny mpitandrina FJKM teo amin’ny lalao voalohany. Mbola io isa io koa no nandavoan’ny persbytera ny pastora FLM. Nanao ny famaranana avy eo ny avy amin’ny fiangonana katolika sy ny anglikanina ka izao nody any amin-dry mompera izao ny amboara. “Santatra am-bavarano ihany iny fa hotohizana isan-taona ny fifaninanana”, hoy ny talen’ny Ivontoeram-pampianarana ambony momba ny eokomenisma (IPAE), Andrianirina David Salomon.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.