Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Filankevitry ny minisitra: raikitra ny fanafarana angidimby iadiana amin’ny valala

    Anisan’ny nisongadina tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, omaly ny hanafarana angidimby miisa roa. Horaisin’ny fanjakana an-tanana ny haba amin’ny fanafarana izany ary iarahana amin’ny tetikasa Mihojo vola.

    Tafiditra amin’ny hetsika iadiana amin’ny andiam-balala sy hanaraha-maso ho an’ny taona 2021-2022 izany, miaraka amin’ny minisiteran’ny Atitany sy ny minisiteran’ny Fambolena ary ny FAO. Mamatsy vola izany kosa ny eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena.

    Vinavinaina ho tonga ny 25 novambra izao izany ka ampisaina mandritra ny enim-bolana ny iray. Haharitra dimy volana kosa ny hesika hataon’ny angidimby iray, manomboka ny janoary 2022.

    Tsiahivina fa anisan’ny fotoana mampirongatra ny valala ny hain-tany tahaka izao ka izao nandraisana fepetra izao.

    Synèse R.  

     

    Les commentaires sont fermées.