Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Harena azo tsy ara-dalàna: 24 ireo kandidà ho tale jeneralin’ny Arai

    Miisa 24 ireo antontan-taratasy voarain’ny komity manokana eo anivon’ny Komity mitandro ny fahitsiana (CSI) amin’ny firotsahana ny ho tale jeneraly, hitantana ny rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna na ny Agence de recouvrement des avoirs illicites (Arai). Miisa fito ny vehivavy amin’ireo.

    Ny komity manokana ny handinika sy hanao fifantenana ny antontan-taratasy. Ny folo voafantina amin’izany no handalo fanadihadiana moraly manokana. Hanolotra anarana telo amin’ny fiadidiana ny Repoblika ny komity, hanendren’ny filoha amin’ny fandraisana didim-panjakana ny ho tale jeneraly voalohan’ny hitantana ny Arai.

    Tsiahivina fa vondrona fahadimy sady farany anatin’ny rafitra iadiana amin’ny kolikoly ny Arai, miaraka amin’ny CSI, ny Bianco, ny Samifin, ny Pac.

    R.Nd.

     

    Les commentaires sont fermées.