Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hetsika andiany voalohany: nanomboka ny diabe fanomezana asa ny tanora

    Hetsika andiany voalohany: nanomboka ny diabe fanomezana asa ny tanora

    Miditra amin’ny andiany voalohany ny hetsika diabe ho an’ny fanomezana sy torolalana ho an’ny tanora, iarahana amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana (MTEFPLS). Nosantarina tao Mahitsy sy Miarinarivo izany ary hitohy anio, any Manjakandriana. Any Ambatolampy ny 26 novambra. Hihazo ny any Fianarantsoa ny 2 sy 3 desambra izao ary hofaranana any Toliary ny 6 sy 7 desambra izany. Tafiditra amin’ny tetikasan’ny minisitera hanomezana torolalana sy hahitan’ireo tanora ny lalan-kombana eo amin’ny tontolon’ny asa izany. Anisan’izany ireo vao nahazo ny diplaoma bakalorea farany teo na ireo vao haka izany. “Natao hanamorana ny fidiran’izy ireo ho eo amin’ny sehatry ny matihanina izany. Diso safidy matetika ireo tanora amin’ny sampam-pianarana hidirany ka anton’izao hetsika izao”, hoy ny mpikarakara.

    Tsiahivina fa maherin’ny 500.000 ireo tanora mitady asa isan-taona eto amintsika isan-taona ary 300.000 kosa ireo mpianatra nivoaka amin’ny oniversite isan-taona tokony hiditra eo amin’ny tsenan’ny asa. Tsikaritra anefa fa tsy ampy fiomanana sy torohevitra ary torolalana ho any amin’ny sehatry ny matihanina izy ireo.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.