Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Jejy Music – « Mikanto i Madagasikara »: mpitendry sy mpihira 250 indray hiaka-tsehatra

    Jejy Music – « Mikanto i Madagasikara »: mpitendry sy mpihira 250 indray hiaka-tsehatra

    Kaonseritra roa lehibe no hanokafana ny andiany voalohany amin’ilay hetsika « Mikanto i Madagasikara » karakarain’ny Jejy Music Orchestra & Choir. Seho voalohany, rodoben-javamaneno, hotontosaina ny 28 novambra izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, eo amin’ny dobo filomanosan’ny Esca Antanimena. Seho sehatra tsy mbola fahita teto Madagasikara. Mpitendry sy mpihira mihoatra ny 200 isa no hiaraka eny an-tsehatra. Fotoana hanehoan’ny Jejy Music Orchestra & Choir sy ny Ecole de music Razakamahefa Hando ny vokatry ny fikarohana momba ny fampianarana ataony tao anatin’ny taona maro. Handray anjara amin’izany ireo orkestra sy « chorale » natsangana sy nofanion’ny Jejy Music Orchestra & Choir hatramin’izay (Jejy Kilonga, Jejy Malaza, Jejy Itaosy, Vonimboninkazo, Jejy Music Orchestra & Choir, Akamasoa Choir, Akamasoa Orchestra, ONG Bel Avenir, ONG Sahy Madagasikara, FJKM Andravoahangy Fivavahana). Fantatra fa hitendry « violon » ny 120 amin’ireo eny an-tsehatra. Amin’ny ankapobeny, hisongadina amin’ity rodoben-javamaneno ity ny gadona klasika, malagasy ary gadona samihafa.

    Seho faharoa, « Jejy Kilonga : Les prodiges de Madagascar », hotontosaina ny volana desambra izao. Ankizy manan-talenta miavaka sy manokana sady manana teknika avo lenta no hiaka-tsehatra. Ny tapany voalohany ahitana azy 5 mirahavavy: Razakamahefa Henika, Randrianarivelo Fitia Mendrika, Razakamahefa Hamboara, Razafimahaleo Tsiky Henintsoa ary Razakamahefa Hikalo). Ankizy 9 taona hatramin’ny 16 taona izy ireo. Ny tapany faharoa, hilalaovan’izy ireo miaraka amin’ny namany hafa ao amin’ny Jejy Kilonga, karazan-gadona maro toy ny jazz standard, malagasy, klasika… Hampiasa lokanga, tramprtra, valiha, piano ary gitara « basse » ry zareo amin’izany. Fantatra fa efa 27 taona no niorenan’ny Jejy Music.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.