Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Marotsipoy – Anjozorobe: nidoboka am-ponja ireo naka an-keriny mpianaka

    Marotsipoy – Anjozorobe: nidoboka am-ponja ireo naka an-keriny mpianaka

    Taorian’ny famotorana lalina nataon’ny zandarimariam-pirenena, olona miisa sivy hafa indray no naiditra am-ponja eny Antanimora. Voarohirohy tamin’ny raharaha fakana an-keriny an’ilay renim-pianakaviana sy ny zanany vavikely vao 10 volana ary ny mpitaiza azy io, ny 31 oktobra teo, tao Marotsipoy-Anjozorobe. Fakana an-keriny, fikambanan-jiolahy, fanafenana olon-dratsy, ireo no isan’ny anenjehana an’ireo voasambotra ireo. Ankoatra izay koa ny firaisana tsikombakomba amin’olon-dratsy, fitakiana sy fakana vola an-keiny aman’olona. Manampy izany ny halatra vola 1 tapitrisa Ar, finday, firavaka volamena ary fampiasana basy tsy ara-dalàna. Tsiahivina fa avotra soamantsara, 10 andro taorian’ny nakana an-keriny azy, izy telo mianaka ireo tsy lavitra ny tanànan’i Brieville. Mbola mitohy kosa ny fanenjehana ireo olon-dratsy niray tsimkobamkomba tamin’ireo efa voasambotra. Ny Vondron-tobim-paritry ny Zandarimaria Imerina Centrale no nisahana ny famotorana nanomboka tao Antanetibe Anativolo Anjozorobe ka hatrany amin’ireo faritra mifanefitra”, hoy hatrany ny zandarimariam-pirenena. Efa nisy olona roa hafa tratra nialoha ireo sivy voasambotra ireto.

     

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.