Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « Mondial 2021 »: handefa solontena ny Team MMA Gamma

    « Mondial 2021 »: handefa solontena ny Team MMA Gamma

    Hatao ny 7 hatramin’ny 11 desambra izao, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, Gamma 2021. Efa fantatra ny solontena Malagasy handrafitra ny Team MMA Gamma.

    Anisan’ny efa nahazo vokatra tsara i Madagasikara, tamin’ny taona 2019, ka nibatan-dRakotomaria Tsinjo Finiavana, ny medaly alimo, nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, teo amin’ny MMA Gamma, tany Singapour.

    Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ho an’ ny Kenpo sy ny MMA, Rakotonindriana Parfait fa tsy ho ambakan’ny tamin’ny taona 2019 ny vokatra amin’ity, na teo aza ny krizy ara-pahasalamana nolalovana. Hita taratra tamin’ny fifaninanam-pirenena farany teo ny fiakaran’ny haavo teknikan’ny mpikatroka, araka ny fanazavany hatrany. Efa niomana sy naka bahana hiatrehana izany tamin’ny alalan’ny fanarazan-tena ny solontena Malagasy.

     

    Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.