Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rabevahiny Elia : “Aleo fehezan-dalàna tsy ovaovaina no mifehy ny fifidianana”

    Rabevahiny Elia : “Aleo fehezan-dalàna tsy ovaovaina no mifehy ny fifidianana”

    Vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra momba ny Ceni, ny HCC, ny lalàm-pifidianana. Maneho ny fijeriny ny sekretera jeneralin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia: “Tokony ho fehezan-dalàna no mifehy ny fifidianana, tsy ovaovaina na iza na iza eo amin’ny fitondrana.” Dinidinika…

    Gazety Taratra (*): Ny fijerinao ny amin’ny fitakian’ny mpanohitra sasany hoe tokony horavana ny Ceni sy ny HCC?                  

    Rabevahiny Elia (-): Manana ny fijeriny ny Otrikafo hatramin’izay, na aty amin’ny fanoherana aza: andrimpanjakana mandany volam-panjakana ireny… Anisan’ny nankasitraka ireny rafitra ireny ny ankamaroan’ny mpanohitra tamin-dry zareo nitondra. Misy ny lalàna 2015-020 nananganana ny Ceni, izay ny HVM tamin’ny fitondran’ny filoha Rajaonarimampianina no nametraka io lalàna io.

    Tamin’izany, efa niteny izahay fa tsy Ceni no tena ilaina hikarakara fifidianana. Mahagaga raha ny HVM indray no mimenomenona amin’izao hoe olon’ny fitondrana no mandrafitra ny ankamaroan’izany. Izay no nitenenanay taloha hoe tokony hijery rafitra hafa hikarakara fifidianana isika.

    * Ahoana ny amin’ny hoe tokony haverina any amin’ny minisiteran’ny Atitany ny fikarakarana fifidianana?

    – Marina fa tany amin’ny minisiteran’ny Atitany ny fikarakarana fifidianana no nesorina, fa anjarantsika ny mametraka arofanina avy amin’ny mpisehatra rehetra amin’ny famerenana izany mba tsy hahazoany manao izay tiany. Na niteny izany aza izahay, tsy nisy nihaino tamin’izany… Amin’izao, manakiana indray ny aty amin’ny sehatry ny fanoherana hoe tokony hosoloina ny rafitra. Na samy amin’ny fanoherana aza: ry zareo manao hoe soloina na io ihany no hamboarina, fa izahay manao hoe tsy ilaina io rafitra io.

    Mbola tafiditra ao anatin’ny andrimpanjakana mandany volam-panjakana ihany ny HCC. Any amin’ireo firenena avaratr’i Eorope (nordiques): tsy misy HCC izany. Karazana rantsam-pitsarana tsotra fotsiny eo anivon’ny Fitsarana tampony, ohatra, dia mety, fa tsy andaniam-bolam-panjakana be toy io.

    * Ahoana ny fijerinao ny lalàna mifehy ny fifidianana amin’izao?

    – Efa ela izahay no nanana sosokevitra hoe tokony ho fehezan-dalàna no mifehy ny fifidianana, fa tsy lalàna fotsiny. Amin’izay, mazava tsara ny amin’izany fa misy fehezan-dalàna iray. Tsy tokony hovaovaina izay na iza na iza eo amin’ny fitondrana, raha tsy hoe mahazo ny ampahany betsaka amin’ny maro anisa indray amin’izay tokony hanovana na hanitsiana azy. Ny tsy mety amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana eto amintsika: samy te hamboaboatra amin’izay mahametimety ny tenany avokoa ny rehetra.

    Efa nambaranay, ohatra, ny hoe: maninona no tsy maintsy mihevitra anto-bola isika rehefa hanao fifidianana? Nefa azo atao koa, ohatra, ny antoka moraly: raha misy te ho kandidà, manao fanangonan-tsonia eo anivon’ny fiarahamonina hoe mendrika ve izy sa tsia? Tsy voatery izay manohana azy no anaovana fanangonan-tsonia, fa ny mpiara-monina tsotra mahita sy mahalala azy eo amin’ny fandraisana andraikitra. Tsy ampy ny fotoana fanaovana fampielezan-kevitra, fa tokony ho mandavan-taona ny anaovan’ny antoko izany.

    Maro no azo tsikeraina, fa aleo isika miady hevitra hametraka fehezan-dalàna hiainga amin’ny samy Malagasy ary maharitra fa tsy hokitikitihin’izay mpitondra mifandimby.

     

    Nangonin’i R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.