Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Nanaovana famotorana eny anivon’ny zandarimariam-pirenena ao amin’ny faritra Anosy ireo olona efatra voarohirohy nivarotra ireo zaza varira mianadahy, ny herinandro teo. Tsiahivina fa efa voaomana ny teti-dratsin’ireo olon-dratsy ireo no ravan’ny zandarimaria ao an-toerana. Voasambotra tao Amboasary Atsimo ny vehivavy iray saika hanao ny asa ratsy. Tratra taorian’izay koa ireo namany niray tendro taminy. Mbola misy kosa ireo olona hafa karohina ao anatin’ity raharaha ity.  Fantatra fa saika hamidy 200 tapitrisa Ar ilay zazavavikely vao 7 taona sy ny zokiny lahy 21 taona samy varira.

    Les commentaires sont fermées.