Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ady tany Sirama: nosamborina ary navotsotra i Ninie Doniah

    Ady tany Sirama: nosamborina ary navotsotra i Ninie Doniah

    Anisan’ireo nitarika ny hetsika manoloana ny olan’ny tanin’ny Sirama any Nosy Be ny mpanakanto Ninie Donia, ny talata teo. Nosamborina sy natao famotorana ary navotsotra avy eo ny tenany. Anisan’ny tsy levon’ny vavon’izy ireo ny hanomezana izany tany izany ho an’ny vahiny. Eo koa ny fanoheran’izy ireo ny fitanilana sy fitongilanana eo amin’ny resaka tany. Tsy manda ny tetikasan’ny filoham-pirenena ny tenany saingy tsy tokony hailika ny teratany malagasy, araka ny nambarany. Nilanja sora-baventy teo amin’ny toerana io, manohitra ny fakana ny tany an’ny Malagasy ny andian’olona maromaro. Niteraka fifamaliana izany ka nahatongavan’ny Emmo/Reg teo an-toerana avy hatrany ary voatery nakana ity mpanakanto ity sy ireo olona efatra hafa.

    Nivoitra tamin’ny famotorana ny fitarihana fanonganam-panjakana sy fanoherana ny tetikasan’ny filoham-pirenena. Samy tsy nitombina avokoa anefa ireo ka nalefa nody izy ireo. Na izany aza, nanitrikitra i Ninie Donia fa tsy mihemotra manoloana ny fandrahonana na amin’ny endriny inona na ahoana, ho fiarovana ny tanin’ny Malagasy.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.