Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Antanjombe – Ambohimanarina: naiditra am-ponja ireo 5 lahy mpivarotra sy mpifoka héroïne

    Nidoboka am-ponja , afakomaly, ireo dimy lahy malaza ratsy amin’ny fitsindromana sy fifohana zava-mahadomelina mahery vaika “héroïne” sy “cocaïne”. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisy, dimy lahy no indray voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy, ny talata teo teny Antanjombe Ambohimanarina. Naharay fitairanana avy amin’ny mponina ny polisy fa misy olona mivarotra sy mifoka “héroïne” eny Ambohimanarina. Tsy niandry ela ny polisy fa nidina teny an-toerana nanao fanadihadiana sy fitsirihana. Lehilahy iray mpivarotra sy lehilahy efatra samy mpifoka ity zava-mahadomelina mahery vaika ity no tratra tao amina trano iray. Rehefa nosavaina izy ireo dia nahitana “héroïne” cocotte (fatra fampiasan’ireo mpivarotra sy mpifoka) iray sy ireo fitaovana maro fifohana izany. Rehefa nosavaina koa ilay trano dia nahitana fitombokasem-panjakana hosoka maromaro. Nilaza ry zalahy nandritra ny fanadihadiana fa 5 000Ar ny fividianan’izy ireo “héroïne” cocotte iray ka mahalany cocotte iray isaky ny mifoka izy ireo.

    J.C

     

    Les commentaires sont fermées.