Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fampitsaharana ny vohoka mety hitera-doza: najoro ny komity na efa sesilany azy ny fanoherana ny ITG

    Tsy hihemotra na eo aza ny tsikera mivaivay ? Nijoro, omaly, ny komity mpanara-maso ny fandaniana ny tolo-dalàna momba ny fampitsaharana vohoko noho ny antony ara-pahasalamana « Interruption Thérapeutique de la grossesse – ITG ». Mitarika izany Ralibera Jerisoa, araka ny nolanin’ireo mpikambana, ahitana ny fiarahamonim-pirenena, mpiasan’ny fahasalamana, mpitondra ara-drazana sy olobe, solontenan’ny  Commission Nationale Indépendante des Droits de l’Homme – CNIDH, ny mpanao serasera sy ny asa fanaovan-gazety, mpanao politika…  “Hanara-maso ny fanajana ny dingana rehetra tokony harahin’ny tolo-dalàna ITG ny komity.  Hampahalala amin’ny fomba mangarahara amin’ny vahoaka malagasy sy eran-tany ny zavatra mitranga  ary hanainga ireo rafitra, vondrona, mpiara-miombon’antoka rehetra hanampy amin’ny fanaraha-maso izany”, hoy ny fanambarana.

    Hanana ny hambarany ny FFKM

    Efa maromaro ary totoafo anefa ny fanambarana na fanehoan-kevitra mitsipaka marindrano ho tsy fanekena ny ITG izany. Anisan’izany ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny evaka (Fem), ny avy amin’ny FJKM sy ny FLM. Mbola hanana ny ambarany koa ny eo anivon’ny FFKM ny alahady izao, aorian’ny Zaikabe, tanterahina eto Antananarivo. Tsy ny kristianina ihany anefa fa efa nanitrikitrika ny tsy fankasitrahany izany koa ny eo anivon’ny finoana silamo. Eo koa ireo olom-boafidy, toy ireo depiote rehetra voafidy any amin’ny faritan’i Fianarantsoa, manontolo. Ho tonga hatraiza ny raharaha manoloana izao mety ho amboletra izao ?

    Tsiahivina fa napetraka eo anivon’ny Antenimeram-pirenena ny 19 oktobra 2021 io tolo-dalàna, nentin’ny depiote Masy Goulamaly  Jeanne d’Arc.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.