Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Faritra Atsinanana : foara ara-toekarena ahitana tranoheva miisa 135

    Faritra Atsinanana : foara ara-toekarena ahitana tranoheva miisa 135

    Foara ara-toekarena, izay ny ilazana ity hetsika lehibe hamerina indray ny tanjak’ireo orinasa lehibe sy salantsalany eo amin’ny saha-pihariany taorian’izay roa taona tsy nahafahana nihetsika  noho ny Coronavirus . Tonga izao ny fotoana hafahana miseho sy mampahafantatra indray amin’ny rehetra fa mbola afaka miaina, miasa sy mandray anjara amin’ny fampandrosoana isam-paritra ireo orinasa eto an-toerana.

    Nambaran’ny governoran’ny faritra Atsinanana, Rafidison Richard Théodore, nandritra ny fotoam-panokafana omaly 25 novambra 2021, fa maharitra efatra andro ny hetsika goavana fampirantiana tranoheva miisa 135. Samy mampahafantatra ny mpitsidika ny antom-pisiany izy ireo. Saika hita ao avokoa ireo mpisehatra amin’ny filana isan’andro eo amin’ny fampandrosoana ny faritra, toy ny fitaovam-pambolena, fiompiana, asa an-dranoamasina sy an-dranomamy, haitao sy taozavatra, asa vaventy, sns. Tanjona dia ny hisokafan’ny lalam-barotra vaovao mankany ivelany ho an’ny mpisehatra rehetra.

     

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.