Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Filankevitry ny CUA: nankatoavina ny zotra an-dalamby sy ny “teleferika »

    Filankevitry ny CUA: nankatoavina ny zotra an-dalamby sy ny “teleferika »

    Resy tosika teo amin’ny latsa-bato ireo mpanolotsaina mpanohitra eo anivon’ny CUA, afakomaly. Nolanian’ireo mpifidy 28 ilay tetikasa fitaterana an-dalamby sy ny mikorisa an-tariby “Teleferika”. Nitsipaka izany koa ny 24 ary iray nanao vato maty.

    Etsy andaniny, kely ny elanelana tamin’ny fandaniana ny fivarotan’ny CUA ny tany eny Ilafy sy ny etsy Antsahabe. Iray ny vato nanelanelana ny nanaiky sy ny nitsipaka izany. Mazava ny nambaran’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina. “Misy hatrany ireo mihevitra ny hibahana eo amin’ny lafiny politika. Misahana ny mponina anefa ny andraikitry ny mpitantana ka tsy tokony hidiran’ny resaka politiak mihitsy ny fijerena ny tombontsoan’ny mponina”, hoy izy. Notsiahiviny koa fa tsy misy volan’ny CUA mivoaka amin’ireo fotodrafitrasa ho an’ny fitaterana ireo. “Miara-manatanteraka ny tetikasa ny fanjakana sy ny mpiara-miombona antoka fa anjaran’ny kaominina kosa ny fanomezan-dalana”, hoy ihany izy.

    Tsiahivina fa nifarana tamin’io fotoana io koa ny fivoriana tsy ara-potoan’ny filankevitry ny Tanàna, rehefa naharitra telo andro, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna, Analakely.

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.