Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Gamma 2021-« Mondial »: hahemotra amin’ny febroary 2021

    Gamma 2021-« Mondial »: hahemotra amin’ny febroary 2021

    Manomboka misy fiantraikany amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena indray amin’izao fotoana izao ny fihanaky ny Covid-19. Voakasik’izany ny taranja Kenpo sy MMA ka nahemotra ho amin’ny febroary 2022 ny fiadiana ny tompondaka eran-tany. Noho ny hamehana ara-pahasalamana any Alemaina sy ny toromarika voarain’ny hotely tokony handray ny delegasiona maneran-tany, ny nandraisana izao fanapahan-kevitra izao, raha ny tatitra nataon’ny filohan’ny federasiona malagasy ny Kenpo sy MMA, Rakotonindriana Parfait. Na eo aza anefa ny fihemorana, mitohy ny fanomanan-tena ho an’ny Malagasy. Mbola eo am-panaovana ny fisafidianana izay hisolo tena antsika kosa ny federasiona malagasy, raha ny fanazavana hatrany.

    Tsiahivina, vokatra tsara ny azon’i Madagasikara tamin’ny taona 2019, izay nahazoan-dRakotomaria Tsinjo Finiavana ny medaly alimo, nandritra ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, teo amin’ny MMA Gamma, tany Singapour. Nambaran’ny filohan’ny federasiona malagasy ny Kenpo sy MMA, Rakotonindriana Parfait fa tsy ho ambakan’ny tamin’ny taona 2019 ny vokatra amin’ity, na dia teo aza ny krizy ara-pahasalamana nolalovana. Hita taratra tamin’ny fifaninanam-pirenena farany teo ny fiakaran’ny haavo teknikan’ny mpikatroka, araka ny fanazavany hatrany.

     

    Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.