Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hakana 2 tapitrisa Ar isan’olona…: tratra ireo mpisoloky mandefa olona hiasa any Dubaï

    Naharay tsilian-tsofina ny vondron-tobim-paritra Mandritsara, ny 19 novambra 2021, momba ny fisiana olona milaza fa mahavita mandefa tovovavy hiasa an-trano any Dubaï. Tsy niandry ela ny zandary fa nanao ny fanamarinana momba ity fisolokiana ity ary voamarina izany. Manaporofo izany ny fisiana tovovavy efatra samy avy ao Mandritsara izay voalaza fa efa nifandray tamin’ireo mpisoloky ireo. Nampikarakarain’izy ireo antontan-taratasy izy ireo miaraka amin’ny lelavola 2 tapitrisa Ar isan’olona. Nomarihin’ny zandary fa efa voarain’ireo mpisoloky avokoa ireo antontan-taratasy ireo fa ny vola kosa ny 22 novambra 2021 teo no daty voatondro fa hanomezana azy. Taorian’ny vela-pandrika nataon’ny zandary, tratra ireo mpisoloky ka tsy azon’izy ireo ny vola notadiaviny. Nandritra ny fisamborana azy ireo, mbola tratra niaraka tamin’izy ireo ny antontan-taratasy niampy sary tapaka efatra avy an’ireo tovovavy efatra voasoloky ireo.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.