Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Halatra jirofo 34 gony …: enin-dahy voaheloka 10 taona an-tranomaizina

     

     Notsaraina teny amin’ny sampam-pitsarana ady heloka bevava, omaly maraina, tao anatin’ny fotoam-pitsarana andiany faharoa amin’izao taom-piasana 2021 izao ny raharahan’ady laharana faha-144-Toa/18-2532-Rp/17. Raharaha anenjehan’ny fitsarana olona miisa 10 noho ny halatra narahina vaky magazay nampiasana fitaovam-piadiana tao Antanandava RN2, ny volana jona 2018. Jiolahy miisa 10 no tompon’antoka tamin’ny famakiana ny mangazay rehefa nofatoran’izy ireo ny mpiambina. Tsy nisy nanatrika ny fitsarana na iray aza izy 10 lahy voarohirohy tamin’ity raharaha izay efa nahazo fahafahana vonjimaika noho izy ireo tapitra fetr’andro fihazonana am-ponja. Teo amin’ny fandinihana ny antontan-taratasin’ady teny amin’ny mpitandro filaminana sy ny teo anivon’ny fitsarana no nitondran’ny mpitsara ny amin’ny fanamelohana 10 taona an-tranomaizina asa an-terivozona ary narahina didy fampisamborana.

    Sajo/J.C

     

    Les commentaires sont fermées.