Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – «Orange Pro league 2022»: hiray kaonferansy ny Ajesaia sy ny Fosa ary ny Five sy Cosfa

    Kitra – «Orange Pro league 2022»: hiray kaonferansy ny Ajesaia sy ny Fosa ary ny Five sy Cosfa

    Hiavaka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange pro league 2022”, amin’ity. Ekipa 16 mantsy no hiady izay ho lohany ka anisan’ny goavana ny fiarahan’ireo ekipa goavana toa ny Ajesaia sy ny Fosa ary ny Cosfa.

    Raha tsy misy ny fiovana farany, hanomboka ny asabotsy 4 desambra ho avy izao, ny fifaninanam-pirenena, taranja baolina kitra “Orange Pro league 2022”. Ho goavana satria iray kaonferansy ireo ekipa goavana toa ny Ajesaia, ny Fosa Jr ary ny Five FC sy ny Cosfa. Raha 13 ny isan’ny ekipa nandray anjara tamin’ny taom-pilalaovana lasa, niakatra ho 16 izany, tamin’ity. Anton’izany, raha ny fanambaran’ireo tomponandraikitra, ny tsy fahafahana namarana ny fifaninanana noho ireo fepetra samihafa niatrehana ny valanaretina Covid-19. Araka izany, sarotra ny nijerena ireo ekipa roa midina any amin’ny Diviziona faharoa. Notazomina ireo ekipa 13 ireo miampy ireo tompondakan’ny D2 National dia ny JF Capricorne sy ny AS Fanalamanga.

    Hifandimby hidona ireo ekipa isaky ny kaonferansy ka hiatrika ny “Play off” ireo efatra voalohany isam-bondrona. Manao ny ampahefa-dalana mandroso sy miverina ary hiatrika ny manasa-dalana mandroso sy miverina ihany koa ireo efatra tafavoaka eo ary ny famaranana tokana, kasaina hatao eo Mahamasina, ny 17 jolay 2022.

    Tafiditra ny CFFA

    Neken’ny Club de Football Elite de Madagascar (CFEM), ny nampidirana ny CFFA Andoharanofotsy, na tsy niatrika ny fifanintsanana tany amin’ny D2 National aza izy ireo. Izany dia araka ny fangatahan’ireo ligim-paritra sy ny voafaritra ao amin’ny andininy faha-5 an-dalana faha-3 ao amin’ny didy amam-pitsipika momba ny fifaninanana eo anivon’ny CFEM, miampy ny andininy faha-6 mampifamatotra ny federasiona  sy ny FMF.

    Na izany aza, hiankina betsaka amin’ny sazy omen’ny kaonfederasiona afrikanina (Caf), ny CFFA noho izy ireo niala an-daharana tsy nanohy ny fiadiana ny amboaran’ny Caf farany teo. Raha voasazy tsy mahazo miatrika fifaninanana mandritra ny roa taona ny CFFA dia hiala tsy ho anisan’ireo hifaninana amin’ity Orange Pro league 2022 ity.

    Mandra-piandry ny fanombohan’ity fifaninanana ity, hotanterahina ny zoma 3 desambra ho avy izao, ny fizarana loka ho an’ireo mendrika tamin’ny “Orange pro league 2021”.

     

    Tompondaka

    -Kaonferansy avaratra : AS Fanalamanga ; Jet Kintana ; Uscafoot ; Tia Kitra FC ; Fosa Jr ; Ajesaia ; Five FC ; Cosfa

    -Kaonferansy atsimo : Disciples FC ; Elgeco Plus ; Adema Dato FC ; CFFA ; JFC Toliara ; Zanakala ; 3FB Toliara ; Mama FC

    Les commentaires sont fermées.