Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mozika Rap-Miora Killah: hamoaka rakikira “Fankahalana sy Fitiavana”

    Mozika Rap-Miora Killah: hamoaka rakikira “Fankahalana sy Fitiavana”

    Ela nilonana sy niangaliana ny mozika rap i Miora Killah… Tonga ny fotoana anehoany ny vokatra, izay sanganasany nampitondraina ny lohteny   “Fankahalana sy Fitiavana”. Ao anatin’izany rakikira izany dia ahitana hira 26 isa. Heno ao koa ny fiaraha-miasa amina mpanakanto maro, sy ny  « beat maker », sns… Hoentina an-tsehatra etsy amin’ny Fili’In Antsakaviro izany, ny asabotsy 27 novambra, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Tsy handeha irery ny tenany amin’io fa hanotrona azy amin’izany ry Ratex, Raikambon’zato, Tiganagara, Raozona, KVR, West « Kilowatt » , Nova « 102 Fassad », Vercors, Mamy Saya & Alkassim, Ndoas& Nephesch Ta’An, Adama Skay, Brwhonix, Lyn’s Solbavy, Kaj Ih Queen, Loys Eîll, Rasym « x crew »… Nanomboka ny taona 2000 i Miora Killah no nisehatra teo amin’ny tontolon’ny rap ary efa maro ny seho sy fiakarana an-tsehatra nataony tao anatin’izany 21 taona izay.

    Narilala

     

    Les commentaires sont fermées.