Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rajoelina Mialy – Fiarovana ny vehivavy: « Tetikasa vaovao ny tribonaly ho an’ireo manao herisetra”

    Rajoelina Mialy – Fiarovana ny vehivavy: « Tetikasa vaovao ny tribonaly ho an’ireo manao herisetra”

    Nandaha-teny, amin’izao fanamarihana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy izao ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy, omaly. Nahatsiaro manokana an’ireo andriambavilanitra rehetra, iharan’ny herisetra, miaina ao anatin’ny fijaliana sy ny hirifiry ny tenany. Fa indrindra ireo vehivavy miaritra ny mafy ho fiarovana ny zanany, ireo tsy sahy miteny maneho ny fijaliana mianjady aminy. “Hisy ny tetikasa vaovao hapetraka, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, hametrahana ireo Tribonaly na “audience foraine” any amin’ireo toerana lavitra sy mitoka-monina. Hanafainganana ny fitsarana ireo mpanao herisetra izany. Aoka tsy hilefitra manoloana ny tsy rariny ny fitsarana. Hanao ny ezaka rehetra isika hamongorana ny herisetra isan’andro”, hoy izy. Efa lany ihany koa ny lalàna momba ny ady amin’ny herisetra, arofanina miaro ireo vehivavy sy tovovavy tsy mba nanana itarainana.

    Tsy hitsahatra hiaro sy hiahy…

    Notsiahiviny fa tsy hitsahatra ny hiahy, ny hiaro sy ny hitondra teny an’ireo vehivavy iharan’ny herisetra ny tenany. Eo ny herisetra ara-nofo sy ny ara-batana; eo koa ny herisetra amin’ny fihetsika na amin’ny fiteny. Niantso ireo mihetraketraka, mikasi-tanana, mamono, manao tsindry hazolena sy mampijaly vady Rajoelina Mialy. Mila ovaina ny fomba fisainana, mianatra mifampihaino sy mifampiresaka ary indrindra mifanaja. Maro ireo vehivavy tsy sahy miteny, maneho ny fijaliana  mianjady aminy, ka nananganana ireo rafitra mba hahafahana mihaino, miahy sy manoro lalana azy ireo. « Maro ireo hetsika natao. Singaniko manokana ny fanohanana ny asan’ny vehivavy, manosika azy ireo any amin’ny fahavitan-tena, indrindra fa ny fomba fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Fomba tena mandaitra entina manampy azy ireo hanatsarana ny fiainany eo amin’ny tontolo ara-pianakaviana sy ara-tsosialy izany », hoy ihany izy.

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.