Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tafapetraka ny fangatahana fampodiana: voasambotra tany Bénin Rabekoto Arizaka Raoul

    Tafapetraka ny fangatahana fampodiana: voasambotra tany Bénin Rabekoto Arizaka Raoul

     Voasambotra tany Bénin, ny zoma 19 novambra teo, ny tale jeneralin’ny Canps, Rabekoto Raoul Arizaka. Andrasana ny ho tohin’ny fifampidihana eo amin’ny fitsarana malagasy sy ny any amin’ity firenena ity, amin’ny hampodiana azy eto an-tanindrazana.

    Efa namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ity filohan’ny Federasion’ny baolina kitra (FMF) ity taorian’ny nandosirany ary izao tsy afa-bela fa voasambotra tany Bénin izao, tamin’ny fotoana farany. Tsy niandry ela ny fanjakana, amin’ny alalan’ny fitsarana fa nametraka taratasy fangatahana ny famerenana an-tanindrazana azy. Nitsoaka teto Madagasikara ny volana febroary 2020  ny tenany ary nialokaloka tany Soisa nandritra izay fotoana elaela izay ary izao sarona taty Afrika izao. Nampilaza ny fanjakana ny tany Bénin taorian’ny nisamborana azy.

    Misy dingana ara-diplaomatika sy fifampiresahana

    Efa tafapetraka ny asabotsy, ampitson’ny nahatrarana azy ny fangatahan’ny fitsarana malagasy ary eo an-dalam-piandrasana izany, amin’izao fotoana izao. “Tsy maintsy misy dingana ara-diplaomatika atao sy fifampiresahana eo amin’ny firenena roa tonta ahafahana mampody azy an-tanindrazana”, hoy ny eo anivon’ny tonia voalohany mpampanoa lalàna, ao amin’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac) etsy 67 ha, Razafindrakoto Solofohery, raha nantsoina an-telefaonina, omaly hariva.

    Asa an-terivozona 10 taona sy onitra 500 tapitrisa Ar

    Anisan’ny vesatra iampangana azy ny fanodinkodinam-bolam-panjakana hatrany amin’ny 17 miliara Ar teo anivon’ny kitapom-bolan’ny Cnaps tamin’ny fanorenana kianja marolafy eny Vontovorona. Efa niakatra fitsarana ny raharaha ka nahavoasazy azy 10 taona asa an-terivozona sy onitra hatrany amin’ny 500 tapitrisa Ar. Efa noesorina tsy ho mpitsara intsony koa, araka ny fanapahan’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM), farany teo.

    Etsy andaniny, tsy mbola nahazoana vaovao kosa ny eo anivon’ny fitsarana momba ny Praiminisitra teo aloha, Ravelonarivo Jean, anisan’ny voasaringotra koa amin’io raharaha io. Efa tafaporitsaka any ivelany sy efa namoahana didy fampisamborana koa ny tenany ny volana oktobra teo. Tokony higadra 5 taona an-tranomaizina ity lehiben’ny governemanta teo aloha ity.

    Andrasana avokoa ny ho tohin’izao raharaha izao.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.