Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tseletra

    Vehivavy iray naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Ambatomirahavavy, omaly tolakandro. Vokatry ny fifanenjehana teo amin’ny fiara roa no nahatonga ny loza. Nitsoaka kosa ilay fiara iray.

     

    Taksiborosy iray koa tra-doza tao Camp Robin RN7, ny zoma teo vokatry ny fandehanana mafy. Hihazo an’Ambalavao ity taksiborosy ity kanjo izao tra-doza tampoka izao. Tsy  nisy ny aina nafoy  fa naratra avokoa ireo mpandeha rehetra tao anaty fiara.

     

    Ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana, mitohy hatrany ny fanabezana sy fanentanana ireo mpitondra moto amin’iny lalam-pirenena faharoa (RN2) iny nataon’ny zandarimaria avy ao amin’ny kaompania Imerina Centrale.  Tao Ambanitsena sy Ambatolaona no nanaovana ny hetsika ka maro tamin’ireo mpamily no nankasitraka izany?

     

     

    Les commentaires sont fermées.