Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rano maloto sady tsy ampy teto Antananarivo: simba ny fitantavanan-drano roa teny Mandroseza

    Rano maloto sady tsy ampy teto Antananarivo: simba ny fitantavanan-drano roa teny Mandroseza

    Miasa andro aman’alina ny Jirama, manarina ireo fitantavanan-drano lehibe (filtres) miisa roa eny amin’ny toby famatsian-drano Mandroseza. Antony, be loatra ny tosiky ny rano vokatry ny fandatsahan’orana, izay nahomby natao teto Antananarivo sy ny manodidina. Nahatonga ny fikorontanan’ny famatsiana rano tany amin’ny faritra sasany teto an-dRenivohitra. Vinavinaina ho vita anio ny asa fanarenana, ka tokony hiverina amin’ny laoniny ny famatsian-drano sy ny fahadiovany.

    Tsiahivina fa mandeha amin’ny herinaratra ny fampandehanana ny tosiky ny rano, ka miato ny famatsiana rehefa tapaka ny herinaratra. Miandry fotoana maharitra anefa ny famerenana ny fampandehanana azy, fa tsy eo no ho eo, ka mila andrasana madio ny rano vao azo ampiasain’ny mpanjifa.

    Mandalo fitiliana indroa isan-kerinandro, eny amin’ny sampana Rano fisotro madio ao amin’ny Institut Pasteur avokoa ny rano aparitaka ho an’ny mpanjifa ny Jirama. Vahaolana fohy ezaka ataon’nyJirama ny fampitomboana ireo siniben-drano lehibe eny amin’ny fokontany. Antenantenan’ezaka ny fampitomboana ny tobim-pamokarana eny amin’ny faritra vitsivitsy ary lavitr’ezaka ny tetikasa Tana Water II, izay efa mipetraka ny rindran-damina hanatanterahana azy.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.