Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Telma- Bondy: miisa 100.000 ny zanakazo hovolena

    Telma- Bondy: miisa 100.000 ny zanakazo hovolena

    Mivoatra hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Telma sy ny fikambanana Bôndy, ao anatin’ilay tetikasa “finday iray = hazo iray”. Raha 50.000 ny isan’ny hazo nambolena ny taona 2020 teto  Analamanga, nanombohana ny hetsika, hitombo ho 100.000 izany amin’ity taom-pambolena 2021-2022 ity, ary hitarina any Toamasina, Morondava ary Mahajanga. Hanomboka ny 15 desambra 2021 ny fambolen-kazo any Toamasina, hiarahana amin’ny tantsaha mpamboly miisa 30 miara-miasa amin’ny Bôndy. Karazan-kazo miisa 12 afaka mampidi-bola ny mponina eny an-toerana no hambolena, toy ny hazo fihinam-boa (papay, voasary,…) sy ny hazo mamokatra vokatra fanondrana (dipoavatra, jirofo, …).

    Mandritra ny dimy taona ny fanaraha-maso ny hazo ataon’ny Bôndy, iarahana amin’ireo tantsaha, izay azy ireo ihany ny tany.

    Tsiahivina fa nahatratra 367.000 ha ny ala may teto Madagasikara, ny taona 2018, araka ny antontanisa navoakan’ny Global forest watch.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.