Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Usaid – Alliance Tsiro: 5,8 tapitrisa dolara hanatsarana ny sehatry ny sôkôla sy laron-tsakafo

    Usaid – Alliance Tsiro: 5,8 tapitrisa dolara hanatsarana ny sehatry ny sôkôla sy laron-tsakafo

    Nanomboka ny fiaraha-miombon’antoka vaovao eo amin’ny Sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Usaid), hanamafisana ny fihariana sôkôla sy ny laron-tsakafo.  Mitentina 5,8 tapitrisa dolara ary haharitra dimy taona ny fiaraha-miasa hanatsarana ny fiveloman’ny tantsaha, ary hiarovana ny zavaboary eto Madagasikara.

    Fiaraha-miombon’antoka ny Alliance Tsiro, hanampy ny tantsaha maherin’ny 2000 ary hamboly hazo maherin’ny 1,5 tapitrisa ao anatin’ny dimy taona. Misolo tena ihany koa ny Fikambanam-pampandrosoana maneran-tany Hearth, iarahan’ny Usaid sy ny sehatra tsy miankina.“Mihevitra ny Usaid fa ny sehatra tsy miankina dia hery fampivoarana ny toekarena, ny famoronana asa, ary ny fampivoarana ny fiadanan-tsain’ny vahoaka”, hoy ny tale jeneralin’ny Usaid Madagascar, i John Dunlop.

    Mampiray ireo orinasa tsy miankina eto an-toerana sy any ivelany sy ireo fikambanana tsy mikatsaka tombony miasa eo amin’ny fitrandrahana sôkôla sy ny laron-tsakafo ny Alliance Tsiro, ahitana koa ny Catholic Relief Services (CRS), Fine Chocolate Industry Association (FCIA), Beyond Good, Guittard Chocolate, Akesson’s Organic, ary ny Heirloom Cacao Preservation Fund (HCP).  Mpiara-miasa ara-teknika kosa ny Centre ValBio sy ny Zoo Bristol.

    Tanjona, ny fanatsarana ny fiveloman’ny mpamboly, ny fanamafisana ny zotra manontolo manomboka amin’ny fambolena ka hatramin’ny fivarotana vokatra kakaô sy laron-tsakafo.  Fanohanana ny tontolo iainana ilaina amin’ny famokarana ireo voly ireo,” hoy i Jim Hazen avy amin’ny CRS. Efa ho 60 tapitrisa dolara ny famatsiam-bolan’ny governemanta amerikana ho an’ny tetikasa fanamafisana ny fitantanana ny harena voajanahary, hatramin’ny taona 2013.

     

    Ndrina

    Les commentaires sont fermées.