Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    «Ballon d’or 2021»: voakiana mafy i Messi

    «Ballon d’or 2021»: voakiana mafy i Messi

    Lasan’ilay Arzantin, i Lionel Messi mpilalaon’ny Paris St Germain, fanimpitony ny «Ballon d’or 2021», taranja baolina kitra. Lanonana notanterahina tao Chatelet tao Paris, ny alatsinainy lasa teo. Voakiana mafy i Messi sy ireo mpikarakara tamin’ny nanolorana ny amboara ho an’ity kalazalahy Arzantin ity. Naneho izany tsy fankasitrahana izany mivantana tamin’ny lahatsorany ireo gazety maro tany Eoropa, toy ny Bild tany Alemaina, ny La Gazzetta dello sport tany Italia sy ny hafa ka nilazany fa mampihomehy, fahafaham-baraka, halatra”. Tsy ireo ihany fa teo koa ireo mpilalao baolina kalaza toa an’i Iker Casillas, mpiandry tsatobin’ny Furia Roja teo aloha. Anisan’izany koa i Toni Kroos, mpilalaon’ny Real Madrid sy ilay Anglisy, i Gary Lineker. Noheverin’ny rehetra fa i Lewandowski, mpilalaon’ny Bayern de Munich. Tsy nahavita be noho i Lewy, i Messi raha ho an’iny taom-pilalaovana lasa iny.

    Na eo aza izany, mpilalao baolina kitra voalohany nandrombaka impito ny “ballon d’or”, i Lionel Messi. Nahazo izany teo amin’ny vehivavy, ilay Espaniola, i Alexia Putellas. Nomena an’i Gianluigi Donnarumma, kosa ny amboaran’ny mpiandry tsatoby mendrika indrindra.

     

    Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.