Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kojakoja fanorenana: eny amin’ny mpaninjara ny simenitra amidy 29.000 Ar

    Milanja 1.891 taonina ny anjaran’ny faritra Analamanga amin’ireo 35.000 taonina, marika Lucky, nafaran’ny orinasam-panjakana State Procurement of Madagascar (SPM) avy any ivelany. Miisa 13 ny fivarotana mpaninjara eto Antananarivo sy ny manodidina, mivarotra ireo simenitra amidy 29.000 Ar ny iray lasaka ireo. Toerana anisan’ny hivarotana ireo simenitra ireo eny Andravoahangy, 67 Ha, Ivandry, Ivato, Anjomakely, Ambatolampy, Talatamaty, Mahitsy ary Ambohitrimanjaka, sns.

    Nahazo 32 taonina avy koa ny any Morondava sy Miandrivazo, 1.401 taonina ho an’ny faritra Anosy, 1.108 taonina ho an’i Diana ary 708,5 taonina ho an’Atsinanana.

    Nambaran’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana, fa andiany voalohany ireo 35.000 taonina ireo, fa mbola hisy andiany manaraka. Nanafatra ny entana tamin’ny orinasa iray Global Transit any Marseille Frantsa ny SPM, niainga avy any amin’ny orinasa Lucky cement limited any Karachi Pakistan. Avy amin’ny volam-panjakana malagasy no nandoavana ny haban-tseranana.

    Njaka A.

     

     

    Les commentaires sont fermées.