Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    LFI 2022: “Tsy mandrisika mpampiasa vola ny politikan’ny hetra”, hoy ny Gem

    Sanganehana ny Vondron’ny mpandraharaha eto Madagasikara (Gem) mikasika ny Tetibola 2022, vao nolaniana teny amin’ny parlemanta roa, ny herinandro lasa teo. Nambaran’ny filohany, Rajaona Thierry, fa anisan’ny voalohany nantsoin’ny fanjakana tamin’ity taona 2021 ity ny sehatra tsy miankina ary tonga nanatrika izany foana ny Gem. Isan’ny nodinihina tamin’izany ny andinin-dalàna mikasika ny hetra sy ny haba. Saingy, hatairana ny an’ny Gem, satria tsy mifandraika mihitsy tamin’ireo sosokevitra maro naroso ny zava-misy. Nifantoka tamin’ny fangatahana fampihenana ny tahan-ketra ny sosokevitry ny Gem, mba hitomboan’ny orinasa hampiasa vola eto amintsika, entina hampivelatra sy hamokarana hampitombo ny harin-karena.

    Manahy ny hihenan’ny mpampiasa vola ho avy eto Madagasikara manomboka izao, manoloana ny nanafoanana ny tombontsoa amin’ny lafiny hetra, toy ny ho an’ny orinasa afaka haba. Hihena, araka izany, ny fahafahan’i Madagasikara mifaninana amin’ny firenen-kafa amin’ny lafiny hetra. “Midika ho fampihenana ny tataon-ketra no tokony hataon’ny fanjakana raha resahina ny lafiny paikady ara-ketra entina hanarenana ny toekarena”, hoy ihany ny filohan’ny Gem.

    Njaka A.

     

    Les commentaires sont fermées.