Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tahiry be – Orange money sy PAMF: fisarihana olona hanao tahiry amin’ny finday

    Tahiry be – Orange money sy PAMF: fisarihana olona hanao tahiry amin’ny finday

    Nampahafantarina omaly teny Ankorondrano ny tolotra vaovao “Tahiry be” iarahan’ny Orange money sy ny orinasa mpampindram-bola Premiere agence de microfinance (PAMF).

    Natokana ho an‘ny mpanjifa efa mikirakira orange money ny tolotra ahazoana manao tahiry anaty finday amin’ny alalan’ny fanokafana kaonty m-kanjy”, hoy ny tale jeneralin’ny PAMF, Ratsimbazafy Guy. Mampiavaka ny tahan’ny zanabola, mahatratra 5,5% raha maharitra enim-bolana ny fametrahana ny tahiry. Afaka misafidy iray volana ka hatramin’ny enim-bolana ny mpanjifa hanaovana ny tahiry ka arakaraka ny tahan-jana-bola azony. Tanjona ny hanome fahalalahana ny olona hanao tahiry ka tsy voatery handalo eny amin’ny banky satria tsy mitaky antontan-taratasy ny fanokafana ny kaonty m-kajy. Azon’ny tompony alaina amin’ny fotoana rehetra koa ny tahiriny ary tsy misy sarany ny fikirakirana rehetra.

    Tao anatin’ny telo taona niforonan’ny m-mikajy, afaka nisitraka tolotra findramam-bola sy fanaovana tahiry ny sokajin’olona maro. Nahatratra 2 tapitrisa mahery ny isan’ny fampindramam-bola vita ka nitarina amin’ny fahafahan’ny mpanijfa manao tahiry anaty finday indray. Ho fisarihana ny olona hanao tahiry, manao hetsika ho an’ny mpikirakira ny orange money rehetra ny roa tonta ka hanjifa ny m-kajy, hanao “Tahiry be” manombka anio ary hifarana ny 31 desambra izao.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.