Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    ASIEF: efa miroso amin’ny fanomanana ny fifidianana

    ASIEF: efa miroso amin’ny fanomanana ny fifidianana

    Nanatanteraka fivoriambe, teny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly, ny Asief (Association Sportive Interministérielle pour l’Entretien des Fonctionnaires). Nisy ny tatitra ara-teknika, ara-moraly, ara-bola ary ny fanomanana ny fifidianana. Fantatra nandritra izany fa efa miroso amin’ny fanomanana ny fifidianana ny Asief amin’izao fotoana izao, satria ho tapitra tsy ho ela ny fotoam-pitantanan’ny birao ankehitriny izay tarihin’Andrianarison Jean Aimé (Jhone Love). Efa fantatra nandritra ny fivoriambe ihany koa fa hatao ny 28 janoary 2022 ny fifidianana izay hitantana ny Asief mandritra ny efa-taona manaraka. Marihina, ankoatra ny fanaovana tatitra ny fitantanana nandritra ny efa-taona, noresahina bebe kokoa, omaly ihany koa, ny fiadiana ny tompondaka nasionaly ho an’ny Asief, natao tany Mahajanga farany teo. Tsy nanadino ny nisaotra ny mpandray anjara rehetra, indrindra ny fametrahana fitokisana tamin’izy ireo, ny filohan’ny Asief, Jhone Love. Tsiahivina, nandefa solontena nanatrika ity fivoriambe ity ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

     

    Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.