Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fandraisana an-tanana isam-pokontany: mikirakira fitaovana 30 ny mpanentana ara-pahasalamana  

    Mikirakira fitaovam-panentanana 30 eo ho eo ny mpanentana ara-pahasalamana rehefa miasa, fitaovana mirakitra ny hafatra sy ny antontan-kevitra momba ny aretina samihafa azon’izy ireo raisina an-tanana, araka ny fanadihadiana. Mety tsy hampahomby ny fandraisana an-tanana ny fahamaroan’ny antontan-kevitra eo am-pelatanan’ny mpanentana ara-pahasalamana ka nijery fomba handrindrana ny asa tokony hofehezin’izy ireo ny tomponandraikitra. Misy fivoriana any Antsirabe izay naharitra hadimiana (hifarana rahampitso) handinihina ny fitaovana sy ny antontan-kevitra miaraka amin’ny fiofanana mifanaraka amin’ny asan’ny mpanentana ara-pahasalamana manerana ny Nosy. Asa sivy no iantsorohan’ny Ac amin’ny ankapobeny, fanaraha-maso ny valanaretina, fananahana ara-pahasalamana, fisorohana ny aretina tsy mifindra, fanjarian-tsakafo… any amin’ny fokontany iasany.

    Efa midinika momba ny karaman’ny Ac hampazoto azy ireo koa ny tomponandraikitra hananana antoka fa voaray an-tanana ara-dalàna ny vahoaka indrindra ireo lavitra tobim-pahasalamana. Manohana ny dinika ny Unicef sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka satria olona tsy azo ialana ny Ac hanatsarana ny fahasalaman’ny daholobe.

    Vonjy          

    Les commentaires sont fermées.