Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiahiana ara-tsosialy taona 2022: voavolavola ny teti-pandaminana

    Nandritra ny herinandro ny atrikasa nataon’ny minisiteran’ny Mponina izay mifandraika amin’ny fiahiana ara-tsosialy teto Toamasina izay nifarana ny asabotsy lasa teo. Nandray anjara ireo mpizaika avy amin’ny faritra 23 eto amin’ny Nosy. Nambaran’ny tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialy eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina, Rivomanana Ghisbert, fa anisan’ny nodinihina ary nasiana fanatsarana ny fijerena akaiky ny haraton’ aina ka nanaovana fanatsarana ny fampidirana ireo faritra 9 eto amin’ny firenena mbola tsy nisitraka izany haraton’ aina sy fiahiana ara-tsosialy izany ka manampy ny 14 izay efa nisitraka izany hatramin’ izay. Ankoatra ny any amin’ny faritra atsimo izay hamafisina noho ny antony manokana. Amin’ny maha fiahiana ara-tsosialy azy, kendrena hisitraka izany hatrany ny vahoaka madinika, ny taona 2022. Nohamafisin’ity tompon’ andraikitra ity fa nasiana fandaminana ny teti-bolan’ny taona 2022 sy ny fiaraha-miombon’ antoka amin’ ireo vondrona iraisam-pirenena sy eto an-toerana.

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.