Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Karate-Fihezama 2021: nandravarava ny Kokaju sy ny Akka

    Karate-Fihezama 2021: nandravarava ny Kokaju sy ny Akka

     

    Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina, ny fifaninanam-pirenena Fihezama, taranja karate, ho an’ny taom-pikatrohana 2021. Ny sokajy katitakely (pupiles,poussins,minimes,benjamins) ny nifaninana nandritra izany, ka mpikatroka manodidina ny 500 avy amin’ny klioba 30 manerana ny faritra Analamanga ny tonga nandray anjara. Raha ny voka-dalao, nandravarava ny klioban’ny Kokaju, izay nahazo medaly volamena 7 sy ny klioban’ny Akka, nandrombaka medaly volamena 6. Samy nanao izay ho afany avokoa anefa ireo klioba rehetra ary nanatanteraka ilay teny filamatra hoe “Zatovo manana ny hoavy mamiratra, ho an’i Gasikara”. Tonga nanome voninahitra sy nanolotra ny medaly, teny an-toerana ny minisitry ny Angovo sy Akoran’afo, Ramaroson Andry, izay sady filohan’ny seksiona Antananarivo renivohitra, taranja karate.

     

    Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.