Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Votsotra ireo roa lahy voalaza fa namono nanao herisetra tamin’ireo telo mianaka teny Ambodmita ny alahady teo. Mitaraina mafy ireo niham-boina ary mangataka ny hampiharana ny lalàna velona mahakasika ny raharaha. Manaitra ny fitondram-panjakana koa hijery ny zava-misy. Tsiahivina fa niharan’ny herisetran’ireto lehilahy ireto ireo telo mianaka nandeha moto. Voadarok’izy ireo koa ny lehilahy niaro azy ireo.

    Niverina nianatra nanomboka omaly ireo mpianatra ao amin’ny lisea teknika Alarobia taorian’ny zava-nitranga afakomaly. Mbola tsy nanohy ny fampianarana kosa ny avy ao amin’ny lisea teknika Mahamasina. Milaza ho tsy mahafantatra ireo olona tao anatin’ny horonantsary niparitaka tao amin’ny tambajotran-tserasera ireo mpianatra natao fanadihadiana. Tsiahivina fa niantomboka tamin’ny disadisa ny zoma teo ny tranga, tezitra tamin’ny nandratrana ireo namany ireo mpianatra avy ao amin’ny lisea Alarobia ka nanao rodobe nihazo ny lisea teknika Mahamasina hamaly faty. Voasakana teo Antanimena ireo mpitokona ka tsy tanteraka ny fanafihana saika natao.

    Les commentaires sont fermées.