Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsy fandriampahalemana eny Ankaraobato: raim-pianakaviana iray maty voatifitry ny jiolahy

    Tsy fandriampahalemana eny Ankaraobato: raim-pianakaviana iray maty voatifitry ny jiolahy

    Tao anatin’ny indray alina monja, fanafihan-jiolahy mitam-piadiana roa no indray nitranga, teny Ankaraobato. Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy, vokatr’izany, tao amin’ny fokontanin’ Ifarihy.

    Nisesisesy ny fanafihan-jiolahy teny Ankaraobato, omaly. Isan’ny tranga nahafatesan’olona, ilay niseho tao amin’ny fokontanin’Ifarihy, omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina. Niditra an-keriny tao amin’ireo tompon-trano ireo andian-jiolahy nirongo basy vita gasy iray sy sabatra iray. Nandrahona sy nitaky ny vola 20 tapitrisa Ar tamin’ireo tompon-trano ireo jiolahy tokony ho fito lahy tsy nisaron-tava. Tsy nanana ny vola notadiavin’izy ireo anefa ireo lasibatra ka nanome azy ireo ny vola 3 hettsy Ar sy ireo entany tao an-tranony.

    Nandohalika sy nitalaho mafy ihany koa ireo lasibatra mba tsy hamonoan’ireo malaso azy ireo. Nandritra izay anefa, nisy tamin’ireo tompon-trano no tafavoaka tao ivelan’ny trano.

    Diso adiresy…

    Voasakana avy hatrany izy no mbola nampitahorina tamin’ny basy ihany koa. Taorian’izay, nipoaka ny basy, lavo ny lehilahy. “ Noheveriko fa fampitandremana ilay tifitra nataon’ireo jiolahy azy kay nahafaty ny zokiko mihitsy ilay izy”, hoy ny alahelon’ilay lehilahy niharan’ity fandrobana ity. Taorian’izay, nivadika tao amin’ny tranon’ireo niharam-boina ireo jiolahy nanao arovava orona, mbola nitady ireo vola antapitrisa maro. “Diso adiresy ianareo fa tsy manana izany vola izany izahay”, hoy hatrany ireo tompon-trano. Tsy niala maina anefa ireo tsy matahotody fa mbola naka fahitalavitra, solosaina, finday miisa roa, subwoofer tao amin’ireo tompon-trano.

    Efa nanaovan’ny eveka sy ny FJKM ary FFKM antso avo…

    Tamin’io andro io ihany, nitrangana fanafihan-jiolahy koa tao amin’ny fokontany Ankadilalampotsy. Araka ny fantatra, tsy nisy entana voaroba tao amin’ireo lasibatra, tsy nisy ihany koa ny aina nafoy. Taorian’ireo fanafihana, tonga teny an-toerana ny polisim-pirenena, tsy tratra intsony kosa ireo olon-dratsy efa tafatsoaka. Misokatra ny fanadihadiana.

    Anisan’ny efa nanaovan’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem) sy ny FJKM ary ny FFKM antso avo ny hijerena ny lafiny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy.

     

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.