Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Antalaha: raim-pianakaviana iray tsy hita popoka

    Antalaha: raim-pianakaviana iray tsy hita popoka

    Lehilahy iray antsoina hoe Andrianasolo Lovasoa Eric, 45 taona no tsy nandrenesam-baovao intsony nanomboka ny alarobia maraina teo. Mipetra-drery ao amin’ny fokontany iray ao Ambatofisaka ny lehilahy, izao tsy hita izao, hoy ny zandary ao an-toerana. Nambarany fa tsy fantatra mazava ny zava-misy fa ny trano vaky no tsikaritr’ilay naman’io raim-pianakaviana io afakomaly maraina. Voaraba tamin’izany ireo entana tao an-tranony toy ny fahitavitra, radio sy ny kojokoja samihafa. Tsy mbola voafaritra kosa raha nisy lasan’ireo olon-drtatsy ireo vola tao aminy. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola nahazoam-baovao ny mombamomba io raim-pianakaviana io, tsy mandeha intsony koa ny findainy. Araka izany, manao antso avo an’izay olona mahita na manam-baovao momba io olona io ireo havany sy ny namany mba hampandre ny Zandarimariam-pirenena. Na koa hiantso ny laharana 0341400528  sy handeha hafatra mivantana @ infoCom.seg. Mampanantena valisoa ho an’izay manome vaovao mari-pototra momba an’Andrianasolo Lovasoa ny rahalahiny.

     

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.