Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Boky – Ravorombato: hivoaka ny « Rangotra voatsonga »

    Boky – Ravorombato: hivoaka ny « Rangotra voatsonga »

    Masaka ny nahandro ! Ny zoma 17 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano Dox (Tranombokim-pirenena Anosy). Fotoana hamoahan-Ravorombato Ony Lantoarimamy ilay boky « Rangotra voatsonga ». Amin’ny alalan’ny seho an-tsehatra ahitana ny hira miaraka amin’Ifanihy sy antsa hotanterahin’ny Havatsa-Upem ary ny Kaompania Bee Z’Art, hilalao sombitantara nampitondraina ny lohateny « Hazakazaky ny fo ». Na ny antsa, na ny sombintantara, samy voarakitra ao anatin’ny boky « Rangotra voatsonga » avokoa. Marihina fa boky voalohany navoakan-dRavorombato izy ity.

    Fantatra fa mamehy sy mamintina ny lalana nodiavin’ny mpanoratra, teo amin’izany tontolon’ny soratra izany ny « Ragotra voatsonga ». Taona 2004, voaray ho mpikambana Havatsa-Upem. Voafidy ho filohan’ny sampana Arivonimamo ny taona 2016. Voahosotra ho « Mpanoratry ny taona » (Taona 2018), araka ny fantina nataon’ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.