Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fandorana tranona jeneraly: niakatra fitsarana omaly ny raharaha

    Naharitra ora maro ny fihainoana ireo voarohirohy tamin’ny fahamaizana ny tranona jeneraly iray efa misotro ronona tao Antaniavo-Antsiraba, ny volana septambra 2020. Hatramin’ny ora nanorantanay farany, mbola nitohy teny anivon’ny fitsarana ao Antsirabe raharaha. Tsiahivina fa nahatratra 15 ireo efa naiditra am-ponja vonjimaika noho ity doro trano ity.

    Tsiahivina fa naheno fipoahan-javatra mafy no nanaitra ilay tovolahy mpanampin’ireo tompon-trano. Natory tao ambony rihana izy tamin’io raha ny fitantarany. Ireo manamboninahitra mivady kosa natory tao ambony rihan’ny trano. Kila hotohoton’ny afo sy tsy nisy noraisina intsony ny trano taorian’ny loza ny alin’ny alarobia 23 septambra 2020 tokony ho tamin’ny 11 ora. Hita faty tao amin’ny efitrano iray tao ambany rihana fatoriany io jeneraly avy amin’ny tafika  io. Nihohoka teo akaikin’ny farafara ny  vata-mangatsiakany nihosin-dra. Tao an-dakozia kosa no nahitana ny nofo mangatsiakam-badiny. Nitanjaka ny tapany ambanin’io renim-pianakaviana io ary nisy ratra ny lohany sy ny vatany. Niteraka resabe tao Antsirabe ity fanafihana narahina vonoan’olona ity. Nahatratra 15 isa ireo naiditra am-ponja vonjimaika taorian’izay.

     

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.