Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fandraharahana sosialy – Poesam: nandresy ny tetikasan’ny fanabeazana AHIA

    Ny tetikasan’ny tanora dimy mianadahy Andeha hianatra izahay ankizy (AHIA) no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana Prix orange de l’entrepreneur social en Afrique et Moyen-Orient (Poesam) taona 2021. « Tetikasa ahafahan’ny rehetra mandrotsa-bola amin’ny alalan’ny internet ka entina hamatsiana ny fianaran’ny ankizy 20 mianadahy manomboka amin’ny kilasy 6ème ka hatramin’ny famaranana. Mpianatra avy amin’ny fianakaviana sahirana nefa vonona hamita fianarana izy ireo ary avy eny amin’ny Akamasoa Andralanitra, Ankazomanga sy Ilafy », araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny mpifaninana, Rakotondranahy Mirana, omaly teny Ankorondrano. Hiantohan’ny AHIA ny sakafo, akanjo hatramin’ny saram-pianarana mandra-pahavitan’ny bakalorea ho an’ny tsirairay voasafidy. Mbola ny tetikasa AHIA ihany koa no nahazo ny « prix spécial féminin » ho an’ny Poesam 2021satria mitondra fivoarana ho an’ny fanabeazana amin’ny ankapobeny. Andiany faha-11 amin’ny fifaninanana Poesam izao hanohanana ny tanora manana tetikasa mitondra fampandrosoana ary mikirakira ny teknolojia vaovao. 10 ny tetikasa notsarain’ny mpitsara niatrika ny famaranana teto amintsika raha anarivony ny antontan-taratasy voaray.

    Vonjy A.  

    Les commentaires sont fermées.