Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanompoam-pirenena…: nisitraka fankasitrahana ireo miaramila 59

    Fanompoam-pirenena…: nisitraka fankasitrahana ireo miaramila 59

    Nankasitraka manokana ireo miaramila 59 tamin’ny fanompoam-pirenena nataon’izy ireo ny kaomandin’ny Bana (Base Navale d’Antsiranana) na tobim-pamaharana ao Antsiranana,  CVA Sam Hieng Twion Kalobe Michael, ny 30 novambra lasa teo. Tao amin’ny toby nandritra ny roa taona, afa-po tamin’ny fitiavan-tanindrazana tamin’ny alalan’ny fanompoana nataon’ireto miaramila 59 antokon-taona 2019 faharoa ireto ny kaomandin’ny Bana. Araka izany, samy nisitraka ny mari-pankasitrahana ho azy noho io fitondran-tena mendrika nasehony nandritra ny fotoana naharitra io ireo miaramila ireo.  Marihina fa mitohy hatrany ny fandraisana andraikitra ataon’ireo miaramila amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana amin’izao fotoana. Lohalaharana amin’izany ny asan-dahalo sy ny fitandroana ny fandriampahalemana.

    Tsiferana R.

    Les commentaires sont fermées.