Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiaraha-miasa: resy lahatra amin’ny vinan’ny filoha ny Alemà

    Fiaraha-miasa: resy lahatra amin’ny vinan’ny filoha ny Alemà

    Noraisin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry teny Iavoloha ny delegasiona avy any Alemaina. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny roa tonta.

    Nitarika izany ny sekreteram-panjakana miadidy an’i Afrika eo anivon’ny minisiteran’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana (BMZ), Stefan Oswald. Resy lahatra amin’ny vinan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny vahiny ka nanamafy ny fahavononany hiara-dalana sy hanohana  amin’ny fanatanterahana ny “Plan Emergence de Madagascar”. Noarahabainy koa ny filoha amin’ny fahaiza-mitarika, nasehony amin’ny ady amin’ny kere. Eo koa ny politika napetrany amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara ary ny fampandrosoana ny fampiasana ny angovo azo havaozina

    Natao jery todika tamin’izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta sy ny firosoan’ireo tetikasa maro eo amin’ny sehatra ara-toekarena sy sosialy. Naneho ny faniriany ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Alemaina ny filoha Rajoelina, indrindra amin’ireo sehatra efa mampalaza ity firenena ity amin’ny traikefa ananany. Anisan’izany ny fiarovana ny tontolo iainana amin’ny doro tanety, ny fampiroboroboana ny fampiasana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo madio, toy ny fampiasana ny angovo azo avy amin’ny masoandro eny amin’ny tontolo ambanivohitra ary ny fampivoarana ny sehatry ny indostria.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.