Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fifanolanana ara-bola: notebahin’ireo depiote ny adin’ireo minisitra roa vavy

    Tsy milamina. Nohitsin’ny depiote ny ady an-tranon’ireo minisitra roa vavy eo anivon’ny governemanta ny amin’ny hampitsaharan’izy ireo izany. “Miparitaka anaty facebook izany…”, hoy izy ireo teny amin’ny CCI Ivato, omaly. Niely tanaty tambajotra ny taratasin’ny minisitry ny Tontolo iainana nangataka ny hamoahana ny vola eo anivon’ny minisiteran’ny Tetibola, ahafahany miasa. Nitaky ny hampiatoana izany kosa anefa ny minisitra lefitra. Tsy vao voalohany ny fifandohan’ny roa tonta ary izao tafavoaka ety ivelany izao ny lamba maloto. Nifandona hatrany, nanomboka tamin’ny famindram-pitantanana taorian’ny 15 aogositra ireto minisitra mirahavavy ireto.

    Etsy andaniny, nitaky ny fialan’ny minisitry ny Varotra ny depiote Milavonjy noho ny ambarany fa tsy fahafehezana ny fiakaran’ny vidin’ny entana ilaina andavanandro.

    Synèse R.

     

     

    Les commentaires sont fermées.