Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ifotaka: nidoboka am-ponja ao Tolagnaro ilay miaramila nitifitra tovovavy

    Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Tolagnaro ilay miaramila nitifitra tovovavy mpianatra tao Ifotaka. Niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana nanomboka talata teo ny raharaha rehefa avy nandalo fanadihadiana lalina.

    Tsiahivina fa maty voatifitr’io miaramila io ny tovovavy 18 taona mpianatry ny CEG ao an-toerana ny herinandro lasa teo rehefa tsy nanaiky nadalainy. Manoloana ny tranga, tsy nanaiky ny zava-niseho ireo raiamandreny ao amin’ny tanànan’Ifotaka. Na teo aza anefa ny raharaham-pihavanana nataon’ity miaramila ity tamin’ireo olobe ao an-toerana, nisokatra ny fanadihadiana ny tranga. Nasaina nandoa omby miisa valo, osy miisa efatra, vary efatra gony ary vola 1 450 000 Ar tamin’ireo raiamandreny tokoa io miaramila mamo io tamin’izay.

     

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.