Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Karate-Mada: fifaninanana hamaranana ny taona 2021

    Karate-Mada: fifaninanana hamaranana ny taona 2021

    Eo am-pamaranana ny taom-pikatrohana avokoa, amin’izao fotoana izao, ny taranjam-panatanjahantena tsirairay, isan’izany ny taranja karate. Ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, hotontosaina ny 11 sy 12 desambra izao ao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny hamaranana izany, raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny federasiona malagasin’ny karate. Avy hatrany dia natao Open, izany hoe, ho an’ny sokajy rehetra ity fifaninanana ity, noho ny fahateren’ny fotoana . Tsara ihany koa ny manamarika fa tsy nisy ny fifaninanana teny anivon’ny seksiona sy ny ligy fa avy hatrany dia ny fifaninanam-pirenena no himasoana. Na izany aza, hiezaka ny hanatsara ny lentan’ny fifaninanana ny federasiona ary ho hentitra amin’ny fitsarana. Andrasana ny fandraisana anjaran’ireo klioba manerana ny Nosy izay manana ny fahazoan-dalana avy amin’ny federasiona. Andrasan’ny maro ihany koa ny fiakaran’ny andrarezina toa an-dRatafika Tsiory Hasimbola, eo ambony tatami, atleta malagasy isan’ny sangany eto an-toerana ary hanomboka hivelatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

     

    Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.