Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – «Orange Pro league 2022»: lalao 8 hanombohana ny fihaonana

    Kitra – «Orange Pro league 2022»: lalao 8 hanombohana ny fihaonana

    Hanomboka ny asabotsy 4 sy ny alahady 5 desambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra «Orange pro league 2022». Fihaonana miisa 8 ny voalahatra amin’izany ka ny telo tanterahina ny asabotsy ary dimy kosa ho an’ny alahady.  Raha ho an’ny andro voalohany, anisan’ny fihaonana goavana amin’izany ny fandraisan’ny Uscafoot ny Fosa Jr Boeny, etsy amin’ny kianjan’Alarobia. Ekipa efa diso mifankahalala tsara ny roa tonta. Hanala vela ny ekipan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra amin’ity. Ankoatra izay, hifandona eny amin’ny kianja By-Pass ny Five FC sy ny Cosfa. Andrasan’ny rehetra ny mety ho endriky ny ekipan’ny firaisana fahadimy amin’ity noho ireo mpilalaony betsaka nifindra toerana. Hampiantrano ny Zanakala FC kosa ny JFC Atsimo Andrefana, ekipa vaovao amin’ity “Orange pro league” ity. Ny alahady, handray ny Disciples FC ny Elgeco Plus etsy amin’ny By-Pass ary hifanehatra amin’ny Adema Dato FC any Fianarantsoa ny CFFA. Hifampitana any Toliara ny 3FB sy ny Mama FC ary eny Vontovorona ny lalaon’ny Ajesaia sy ny Tia Kitra. Ny kianja Mahitsy kosa no hilalaovan’ny Jet Kintana sy ny AS Fanalamanga.

     

    Hatsaraina ny fifandraisana amin’ny FMF…

    Anatin’ny vinan’ireo mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny klioban’ny baolina Elita eto Madagasikara na  CFEM  tanteraka ny fanatsarana ny fifandraisana amin’ny federasiona malagasy ny baolina kitra amin’izao fotoana.  Na eo aza ny savorovoro misy, tanjona ny hametrahana sivana manokana hahafan’ireo ekipa mandray anjara amin’ny fifaninanana ho an’ny “Orange pro league” manokana. “Tsy maintsy miankina amin’ny federasiona anefa izany”, hoy ny tompondraikitra eo anivon’ny CFEM. Marihina fa tontosa tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano ny fivoriambe ara-potoan’ny CFEM, omaly.

    Tompondaka/ Tsiferana R.

    Les commentaires sont fermées.