Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mampatsiahy ny CUA: tsy mahazo miriaria ankalamanjana ny biby fiompy 

    Nanao fampatsiahivana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly, fa tsy tokony havela hiriaria eny ankalamanja sy eny amin’ny lalam-bahoaka ny biby fiompy an-trano toy ny alika sy ny saka ary ny biby hafa fa fehezina amin’ny toerana voatokana ho azy ireny. Ho fitandroana ny fahasalamana sy ny filaminana ary indrindra ho fisorohana ny valanaretina no anton’ny fepetra, araka ny fanazavana. Tokony hanana karinem-pahasalamana avy amin’ny mpitsbo biby ny biby fiompy rehetra ary andraikitry ny tompony ny misoroka ny korontana ateraky ny biby ompiany : kaikitra ; loto, tabataba…

    Handraisan’ny mpitantana ny fiadidiana ny Tanàna fepetra ny biby mbola hita mikarenjy eny an-dalambe ary hampiharina ny fehezam-pitsipika ikoloana ny fahasalamana.

    Mbola nitondra fampatsiahivana koa ny kaominina fa tsy azo atao ny mametraka peta-drindrina amin’ny toerana tsy voatoka ho amin’izany sy tsy nahazoana alalana. Hahazo sazy ny olona tsy manaraka ny fepetra.

    Vonjy     

    Les commentaires sont fermées.