Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Na eo aza ny hasina ananany…: ataon’ny sasany tsinontsinona ny zavakanto malagasy

    Na eo aza ny hasina ananany…: ataon’ny sasany tsinontsinona ny zavakanto malagasy

    Manana ny maha izy azy, hono, ny zavakanto malagasy. Azo inoana fa ilay mampiavaka azy (zavakanto) io lazaina io. Ao ihany koa ireo tsy hananan’ny hafa. Na manaka-danitra aza ny hambompo hoenti-maneho izany, mbola misy hatrany ireo mahita « sary » hafa mihitsy ka mamoaka endrika manamaloka ny zavakanto malagasy.

    Na tsy mbola voafaritra mazava aza ny atao hoe : « zavakanto », aleo ezahina haravona amina fitambaran-teny roa « zavatra » sy « kanto » ny tian-kambara. Aleo ihany koa tsy ilaozana lavitra ireo efa karazan’andram-pamaritana sy fanasokajiana nataon’ny teo aloha. Anisan’izany, ohatra, ny filazana fa zavakanto ny hira, ny tononkalo, ny sary sokitra, ny hosodoko, ny haisoratra, sns. Saika ananan’ny Malagasy avokoa izy ireny. Mety misy tombony sy fanampiny ary ny mampiavaka azy amin’ny an’ny hafa aza. Eto Madagasikara ihany, ohatra, no ahitana ny fanorona, ny karazan-kabary marobe, sns. Tsy ananan’ny hafa koa ny hasina ananan’ireny zavakanto malagasy ireny.

    Na eo aza ireo rehetra ireo, amin’izao vanim-potoana izao, mbola misy ny Malagasy manao tsinontsinona ny zavakanto malagasy. Faheno matetika ny hoe : « Maninona no lafobe tahaka izany ny mianatra valiha, fanorona, katro… » ? « Izay sodina ve dia hovidiako… » ! « Izaho indray tsy mahavita mianatra dihy gasy izany fa aleoko mianatra… » ! « Tena mitovy amin’i… (teratany vahiny) mihitsy ny fomba fitafin’i… (teratany malagasy) » ! « Raha hianatra zavamaneno ihany, aleo tonga dia piano no hianarana » !… Ireo rehetra heno etsy sy eroa ireo, maneho avy hatrany fa tsy misy vidiny amin’ny Malagasy sasany ny zavakantony. Maivana sy toa tsy misy hasiny ! Amin’ny lafiny hafa, toa azo adika ho tsy fahalalana ihany koa ny trangan-javatra tahaka io.

    Lesoka azo arenina… Ampahafantarina ny an’ny tena

    Mila omena lanja ny fanabeazana maha Malagasy. Miainga any amin’ny ankohonana, eny amin’ny fiarahamonina, any an-tsekoly… Tsy amin’ny alalan’ny fanaratsiana na fanivaivana ny zavakanton’ny hafa (vahiny), fa amin’ny fampahafantarana ny an’ny tena (Malagasy). Io tsy fahampian’ny fampahafantarana io, azo harenina tsara. Rehefa mety ho raiamandreny, zoky, mpitondra, mpitarika, sns, mila mianatra avokoa. Mbola misy ny Malagasy, mahatadidy, mahatahiry, miaina anatin’ny zavakantony. Afaka mampita izy ireny. Tsy mahamenatra ny tsy fahaizana. Mila mianatra !

    Io tsy manan-kambara, tsy manan-kalahatra, tsy manan-katoro ny taranaka mifandimby io mantsy no anisan’ny antony nanova tsikelikely ny fomba fihevitry ny sasany ka nahatonga azy ireny hiloloha ny zavakanton’ny vahiny, izay tsy misy ifandraisany na mety hifanipaka tanteraka amin’ny maha Malagasy mihitsy aza. Nanjary nanana saina misavilivily ny taranaka malagasy. Maniditsidina sy manjavozavo, ohatra, ny fahalalan’ny malagasy  sasany fa ny fanorona ange ka fikatsaham-pahendrena.

    Rehefa tsy mahavita na sanatria malaina hianatra ireo raiamandreny, mpanabe, mpitarika, sns, hampirisihina ny zanaka handalina ny zavakanto malagasy. Mbola ao anatin’izy ireny rahateo ny vitrika sy ny hery. Omena ny zanaka sy ny taranaka ny fahafahana manao izany fianarana izany. Ankoatra ny ezaky ny Malagasy tsirairay, mila mandray ny andraikitra tandrify azy koa ireo rafitra miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana.

    HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.